Revelation of John 11

1Nomena volotara mba ampiasaina tahaka ny tehina aho. Nolazaina tamiko hoe: “Mitsangàna ary refeso ny tempolin’Andriamanitra sy ny alitara, ary ireo izay mivavaka ao. 2Fa aza refesina ny kianja eo ivelan’ny tempoly, fa nomena an’ireo Jentilisa izany. Hanitsaka ny tanàna masina mandritry ny roa amby efapolo volana izy ireo.

3Homeko ireo vavolombeloko roa ny fahefana haminany mandritry ny 1, 260 andro, nitafy lamba fisaonana.” 4Ireo vavolombelona ireo dia hazon’oliva roa sy ny fitoeran-jiro roa izay nitsangana teo anatrehan’ny Tompon’ny tany. 5Raha misy olona misafidy handratra azy ireo, dia mivoaka afo ny vavan’izy ireo ka hihinana ireo fahavalon’izy ireo. Na iza na iza maniry ny handratra azy ireo dia tsy maintsy hovonoina amin’izany fomba izany.

6Ireo vavolombelona ireo dia manana fahefana hanidy ny lanitra mba tsy hilatsahan’ny orana mandritry ny andro haminanian’izy ireo. Manam-pahefana izy ireo hanova ny rano ho rà sy hamely ny tany amin’ny karazana loza rehetra na oviana na oviana irian’izy ireo. 7Rehefa ho vita ny fijoroan’izy ireo vavolombelona, dia miakatra avy any anaty lavaka tsy hita noanoa ilay bibidia hiady hanohitra azy ireo. Handresy azy ireo Izy ary hamono azy ireo.

8Hiampatra eny amin’ny lalan’ny tanàn-dehibe ny fatin’izy ireo (izay antsoina ihany koa hoe Sodoma sy Egypta) izay namantsihana ny Tompon’izy ireo. 9Hijery ny fatin’izy ireo mandritra ny telo andro sy tapany ny olona, ny foko, fiteny, ary ny firenena rehetra. Tsy ho avelan’izy ireo apetraka ao am-pasana ireo

10Ireo izay miaina eo ambonin’ny tany dia hifaly amin’izy ireo ary hankalaza. Hifandefa fanomezana mihintsy aza izy ireo satria nampijaly ireo izay miaina ambonin’ny tany ireo mpaminany roa ireo. 11Fa afaka telo andro sy tapany dia hiditra ao amin’izy ireo ny fofon’aina avy amin’Andriamanitra, ary hijoro amin’ny tongony izy ireo. Hilatsaka amin’ireo izay mahita azy ireo ny tahotra lehibe. 12Avy eo dia handre feo mahery avy any an-danitra izy ireo miteny azy ireo hoe: “Miakara eto!” Avy eo dia hiakatra ho any an-danitra ao anaty rahona izy ireo, raha mbola mijery tany ireo fahavalon’izy ireo.

13Amin’izany ora izany dia hisy horohoron-tany mafy, ary hirodana ny ampahafolon’ny tanàna. Fito arivo ny olona ho faty amin’ilay horohorontany, ary ho raiki-tahotra ireo olona sisa tsy maty ary hanome voninahitra an’Andriamanitry ny lanitra. 14Lasa ny loza faharoa. Indro! tonga faingana ny loza fahatelo.

15Avy eo dia nampaneno ny trompetrany ny anjely fahafito, ary nisy feo mafy niteny tany an-danitra nanao hoe: “Ho lasa fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao. Izy no hanjaka mandrakizay doria.”

16Avy eo ireo loholona efatra amby roapolo izay nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’izy ireo teo anatrehan’Andriamanitra dia nampiankohoka ny tenan’izy ireo. Nankalaza an’Andriamanitra izy ireo. 17Hoy izy ireo: “Manome fisaorana Anao izahay, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha, ilay ankehitriny sy taloha, satria naka ny herinao lehibe ianao ary nanomboka nanjaka. (Fanamarihana: Ny sasany amin’ireo dikan-teny taloha dia mivaky hoe: Ny mpanapaka ny rehetra, ilay ankehitriny sy taloha, ary ilay ho avy, fa ny dikan-teny amin’izao fotoana tsy toy izany.)

18Tezitra mafy ireo firenena, kanefa tonga ny fahatezeranao. Tonga ny fotoana hitsarana ny maty sy hamalianao soa ireo mpaminany mpanomponao, ireo izay mpino, sy ireo izay natahotra ny anaranao, na ny tsy manan-danja na ny mahery. Tonga ny fotoana handringananao ireo izay manimba ny tany.”

Avy eo dia nisokatra ny tempolin’Andriamanitra tany an-danitra ary hita ny fiaran’ny fanekeny ao anatin’ny tempoliny. Nisy tsela-pahazavana, kotroka, kotrokorana, horohorontany, ary havandra vaventy tao.

19

Copyright information for PltULB